Notanana atao famotorana ny renim-pianakaviana iray namono nahafaty am-badiny, teny Ambohimanambola. Maty novelesina fanonto ity farany, omaly maraina.
Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray 57 taona, tao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo, kaominina Ambohimanambola, ny alin’ny 25 hifoha ny 26 jona teo. «Niady izy mivady ary tsy nisy olon-kafa ankoatra azy ireo tao amin’io tokantrano io », hoy ny fanazavan’ ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana. Voa mafy tamin’ny faritra saropady io lehilahy io ka heverina ho nitarika tamin’ny famoizany ainy. « Nampiasa hazo misy fantsika maranitra sy fanoto ilay ramatoa », araka ny fanazavana voaray. Nihoson-dra ny trano, saingy nezahina nofafana tamin’ny alalan’ny pataloa iray. Nahare ny zava-nisy, tonga tao amin’io tokantrano io ny zandary, omaly maraina. Nanao famotorana izy ireo, saingy nanda hatramin’ny farany ilay renim-pianakaviana. « Nilaza ho tsy namono an-dralehilahy mihitsy io olona io », hoy ny lehiben’ny zana-tobim-paritra ao Ambohimanambola.
Narary kibo
Nangataka tamin’ireo mpitandro filaminana ho any amin’ny toeram-pivoahana ilay ramatoa nandritra ny fanangonam-baovao nataon’ny zandary tao amin’ny tokantrano nitrangan’ny vonoan’olona. « Nentin’io ramatoa io ny pataloa iray feno ra ary natsipiny tao anatin’ilay toeram-pivoahana », hoy ny zandary. Nanafina hatramin’ny farany ny habibiana nisy tao amin’ny trano io vehivavy io. Tsy takona nafenina anefa ny ratra tamin’ny handrina sy ny vatan-drangahy vadiny. Nentina natao fanadihadiana lalina, alohan’ny hanolorana azy eny anatrehan’ny fitsarana, ilay ramatoa.
Tsiferana R.




