Nofirain’ny fokonolona tamin’ny zava-maranitra, niendaka ny hodi-tavan’i Tidahy, olon-dratsy malaza ho mpamira antsy olona, tao amin’ny kaominina Ampasimbe, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Nandritra ny andron’ny tsena tao amin’io kaominina io, narahin’ny fokonolona maso i Tidahy. Nikendry mpanao volamena iray tao amin’ny tsena izy, saingy efa niandry kendry tohina azy ny fokonolona. Nitondra antsibe tao anaty akanjony i Tidahy, raha toa ka niandry taksiborosy nikasa hihazo an’Antananarivo ilay raim-pianakaviana mpanao volamena nokendreny. Nosamborin’ny fokonolona avy hatrany anefa io olon-dratsy io ary tsy namelan’izy ireo. Nogiazana ny antsibe teny amin’i Tidahy ary nanararaotra nidaroka sy namono azy ny vahoaka izay efa tofoka tamin’ny asa ratsiny. Nokapain’ny olona iray tamin’ireo fokonolona tamin’ny alalan’ny antsibe anefa ny tarehin’io mpanao ratsy io. Nisaraka roa ny tavany ary niendaka hatramin’ny hoditra. Namoy ny ainy ity farany vokatr’io vono nahazo azy io. Tsiahivina fa raim-pianakaviana iray nitondra takaitra satria tapa-tanana noho ny asa ratsy nataon’io jiolahy io.
Sajo




