Nizara roa! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Ankazondrano, kaominina an-dRenivohitra Fianarantsoa, omaly maraina. Voahitsaky ny kamiao ilay lehilahy ka nisaraka ny vatany. Olona tsy vaovao amin’ireo mpivezivezy ao an-toerana, mpibata entana ao amin’ny toeram-piantsonana ao Ankazondrano, ity tra-doza ity, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza, saingy efa notetezin’ny kodiaran’ilay fiarabe ny vatany vao hitan’ny manodidina. Indray mipi-maso, nandriaka ny ra. Tsy nisy azo natao intsony tamin’ilay olona voahitsaka. Maty teo no ho eo ity farany. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana miasa ao Fianarantsoa. Naiditra am-balam-pamonjana ilay fiara nitera-doza. Mandray an-tanana ny fanadihadiana kosa ny tomponandraikitra. Ilaina hatrany ny fitandremana eny an’arabe rehefa mandalo ireny karazana fiara vaventy mpitatitra entana ireny mba hisorohana ny loza tampoka tahak’ity niseho tao Ankazondrano, omaly, ity.
Tsiferana R.




