Fanadinana CEPE : 80,73% ny taham-pahafahana fanadinana

Efa nivoaka avokoa ny voka-panadinana CEPE. Na­hatratra 80, 73% ny taham-pahafahana fanadinana, manerana ny Nosy, raha ny voalazan’ny tale misahana ny fanadinana ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Nivo­joelina Bazolimanjato, omaly. Niakatra io taha io raha oharina ny tamin’ny taon-dasa (77,84%), araka ny fanazavana hatrany.
Cisco 115 no nanatanteraka ny fanadinana. 459 549 no isan’ny mpiadina afaka. Niisa 582 259 ny mpiadina manerana ny Nosy, 12 581 kosa no tsy tonga. Ny taham-pahafahana ambony indrindra dia avy ao amin’ny Cisco Betioky izay 97,67%. Avy ao amin’ny Cisco Befotaka kosa ny taha ambany indrindra, 48,33%.
Ho an’ny fanadinana BEPC kosa izay hatrehina ny 6 hatramin’ny 9 jolay izao, efa manomboka tonga tsikelikely any amin’ny faritra ireo laza adina.
Hentitra ny minisitera amin’ny fandriampahaleman’ireo laza adina ireo ary tsy tokony hisy ny fivoahan’izany mialoha ny fotoana .

Tatiana A

Partager sur: