Tsy manana toerana hialana voly ny zaza ao amin’ny faritra Androy. Variana amin’ny asa fivelomana andavanandro ny reny ka tsy afaka mampilalao na manambitamby ny kilonga. Manoloana izany, najoro ny toerana fampilalaovana sy PNNC hanampy azy ireny.
Manana toerana fampilalaovana zaza miisa dimy ny distrikan’ Ambovombe. Matetika napetraka manakaiky ny toby PNNC izany. Misahana ny fitarihana ny fampihodinana azy ny mpanentana eny ifotony (AC). Efa niforona tamin’ny taona 2013 ny toby ao Sevohipoty, mikarakara ny reny sy ny zaza ary ny fanjarian-tsakafo. Mandray reny miisa 20 isan’andro ny mpanentana, manomboka ny talata hatramin’ny sabotsy.
“Lohahevitra ifampizarana mandritra ny fihaonana ny fampinonoana tsy misy fangaro, ny fahadiovana, ny sakafo sahaza ny zaza arakaraka ny taonany. Ankoatra ireo, misy ny fampianarana mahandro sakafo”, hoy ny mpanentana, i Pauline.
Anisan’ny kaominina misitraka toerana fampilalaovana koa, avy amin’ny fanohanan’ ny Unicef tamin’ny fampitaovana, i Sevohipoty. Zaza 40, manomboka amin’ny enim-bolana ka hatramin’ny 30 volana no tena raisina an-tanana. Afaka milalao ao avokoa ny ankizy amin’ny fokontany manodidina rehetra. Roa taona no nijoro ny toeram-pilalaovana. Tsapa fa nisy fivoarana ny sain’ny zaza. Indroa isam-bolana no mampilalao ny zaza ny reny, mifandimby. Ankoatra ny fampilalaovana ny kilonga, misy lohahevitra 10 ampianarin’ny AC. Anisan’ireo ny fikarakara ny zaza (tambitamby, fanehoana fitiavana), araka ny fanazavan’ny reny iray, i Masitovo Oliviana. Hatramin’ny zaza manana fahasembanana koa dia nisy fivoarana noho ny fanatonana ny toeram-pilalaovana, hoy ny mpanentana. Atao ao amin’ny toerana fampilalaovana ny fanaitairana ny vavahadin-tsain’ny ankizy madinika, amin’ny alalan’ny kilalao manetsika ny retsi-pandre. Matetika vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo, taraiky ny fifohazan-tsain’ny zaza. Ilana ny endrika lalao mitondra fisokafan’ny vavahadin-tsaina izany.
Rehefa nandalo tao amin’ ny toerana fampilalaovana ny zaza, lasa tia karokaroka ka tsy manahirana azy ny fanohizana ny dingana any amin’ny akany fibeazana.
Vonjy




