Raim-pianakaviana voatafika: 4 tapitrisa Ar haterina any amin’ny banky voaroba

Miseholany ny trangana tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Raim-pianakaviana hanatitra vola any amin’ny banky no notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Niseho tao Amboloma­dinika, teo anoloan’ny tranombarotra fivarotana Fave, distrikan’i Toamasina, ny tranga. Miasa amina tranombarotra iray misehatra amin’ny fivarotana kojakoja amin’ny fanaovan-trano ity lasibatra ity. Mpiasa efa atokisan’ny karana izay mpampiasa azy amin’ny fanaterana vola any amin’ny banky ny tenany. Andeha hivoaka ny tranombarotra, hanatitra vola any amin’ny banky izy no notsenain’ireo jiolahy teo ivelan’ny trano. Jiolahy miisa roa, nisaron-tava no nanambana basy azy tamin’izany. Nitaky ny vola rehetra tany aminy ary nitifitra tamin’ny basy teny an-tanany ity farany. Vokany, voatifitra teo amin’ny kibony izy ary naratra mafy. Voaroba, nandritra iza­ny, ny vola 4 tapitrisa Ariary. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsy. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly ilay naratra ary efa manaraka fitsaboana. «Tsy nampoiziko ny zava-nisy fa tonga dia notifirin’ireo olon-dratsy teo amin’ny kiboko aho, toy ny nofy ratsy no niainako izany», hoy ny fitantarany. Tsiahivina fa ankizivavy 12 taona no maty notifirin’ny jiolahy tany Mangarivotra, ny sabotsy hariva teo. Tonga niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano misy azy efa-mianaka ireo jiolahy ary nitaky ny vola rehetra. Tsy nahitana vola tao an-trano ka nahatezitra ireo jiolahy, antony nitifirany ity ankizivavy ity. Mbola tsy misy tratra ireo olon-dratsy hatramin’izao.

Sajo/Mino

Partager sur: