Sambo rendrika an-dranomasina teo anelanelan’Andevoranto sy Vatomandry, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora. Tantsambo 12 sy mpandeha 6 avotra soa aman-tsara taorian’ny loza. Niainga avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo LCT Caroline ary nikasa hihazo an’i Taolagnaro, nitondra entana 254 taonina sy olona 18 tao anatiny.
Lehilahy iray 19 taona, tratra nanolana ankizivavy vao 9 taona, tany Morondava, Faritra Menabe, ny atoandron’ny 25 jona lasa teo. Niakatra fampanoavana ny raharaha ary naiditra vonjimaika am-ponja ny tenany taorian’izay. Naolany tao amin’ny ivontoerana fitaizana zaza kamboty iray ao Morondava io zaza io.




