Fiara tsy mataho-dalana iray miloko mainty no niharan-doza tetsy Ambohitsiroa, afakomaly maraina tamin’ny 7 ora sy 45 minitra. Nitrangana lozam-pifamoizana naharatrana olona sy nanimba fananan’olona teo Ambohitsiroa, Niseho teo amin’ny lalana miakatra ho any Anjohy ny loza. Niala lalana ny fiara ka nifatratra tamin’ny tranon’ olona manamorona ny arabe. Vokany, […]
Mois : juin 2026
Olona valo voasambotra: Zaza varira hita faty tapa-doha nalevina
Mirongatra ny trangana fakana an-keriny sy famonoana varira eto amin’ny Nosy. Efatra andro taorian’ny nakan’ireo olon-dratsy, an-keriny ilay zazavavy manana toe-tena varira, vao herintaona sy enim-bolana monja tany amin’ny fokontany Ankalika, kaominina an-drenivohitra Toliara I, ny alakamisy maraina teo. Hita afakomaly tolakandro, tany amin’ny fokontany Antsianaka, kaominina ambanivohitra Betsinjaka, distrikan’i […]
Kariera nihotsaka : Olona efatra maty
Nihotsaka ny tany tao amin’ny karieram-bato quartz, tany amin’ny fokontany Soakibany kaominina Ambahitahy, distrikan’i Bekily, faritra Androy, ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora. Mpitrandraka vato maherin’ny 10 no tototry ny tany tao anatin’izany. Tavela tany ambanin’ny tany efa maherin’ny 10 metatra izy ireo, raha ny fanazavana voaray. […]
Rocade Iarivo : Mpianaka niara-maty navadibadiky ny fiara
Nivadibadika ambony ambany ny fiara Volkswagen iray tetsy amin’ny Rocade Iarivo, Amoronankona, omaly maraina. Mpandeha roa tao anatiny maty tsy tra-drano. Enina hafa naratra mafy. Nandeha mafy ny mpamily ka tsy nahatana ny familiana rehefa tojo fiolahana ka nahatonga ny loza. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Rocade Iarivo, […]




