Hita faty tany anaty alan-kesika, eny Amboanjobe, i Sahala Fanekena, ankizivavy 12 taona, nifampitadiavana afakomaly tontolo. Niala ny tranony tetsy amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano izy, afakomaly maraina. Naolana sady nodarohana izy.
Hita faty omaly hariva tamin’ny 4 ora, tany anaty ala “Sapin” tany Amboanjobe Andoharanofotsy, i Sahala Fanekena. Ankizivavy 12 taona izay nanaovana ombay mitady afakomaly. Hita tany amin’ny 3km miala an’Amboanjobe Andoharanofotsy ny razana. Voaolana sady nodarohana izy satria feno ratra ny vatany, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny fianakaviany, omaly. Efa nesorin’ireo tsy mataho-tody teny an-kodiny ny akanjo nanaovany, tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Nesorina ary napetraka teo akaikiny ireo ftafiany rehetra. Takon-kenatra sisa no hita teny aminy, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny fianakaviany hatrany. Tombanana ho naolana izy ary mbola nodarohana, avy eo notaperina ny ainy. Tonga teny an-toerana nahitana ny vatana mangatsiaka ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo ary ireo fianakaviany. Efa nentina eny amin’ny trano fonenany, etsy Ambodirano Ampefiloha, kosa ny razana, omaly ihany.
Nirahina hividy mofo
Nivoaka ny trano fonenany tetsy Ampefiloha Ambodirano izy, ny alatsinainy maraina 29 jolay 2026 tamin’ny 7 ora sy sasany teo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nirahina hividy mofo atao sakafo maraina tamin’ny mpivarotra iray 20m miala ny trano izy tamin’io, saingy tsy niverina intsony. Nokarohina hanolo ny zandriny izy taorian’izay, saingy tsy mbola niverina. Gaga sy taitra ny fianakaviana rehefa tsy nahita azy niverina ary nanatona mpitandro filaminana. Natao ihany koa ny fampilazana fikarohana azy tamin’ny tambajotran-tserasera. Efa nandehanana nanaovana ny fikarohana avokoa ny toerana rehetra toy ny teny Tanjombato, Ameronakona sy ny toerana maro. Olona sendra nnandalo no nahita ny vatana mangatsiakany tany anaty ala ka nampandre ireo fianakaviana sy nahitana ny fatin-janak’izy ireo. Tsy mbola misy olona ahiahian’ireo fianakviana hatramin’ny omaly, satria ankizivavy hendry sy maotina ity zanakan’izy ireo hita faty ity.
Mino




