Kick Boxing : Handray ny « World Cup 2027 » i Madagasikara

Noraisina ofisialy,  ny alatsinainy teo,  ireo Malagasy mpikatroka niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Kick boxing. Nambara ofisialy ihany koa fa handray ny “World Cup” 2027 i Madagasikara.

Taorian’ny nahazoan’ny atleta malagasy vokatra tsara, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika,  taranja Kick boxing,  natao tany Kameronina, ny herinandro lasa teo,  nisy ihany koa ny vaovao tsara nentin’ny de­le­gasiona malagasy. Fantatra fa handray ny “World Cup 2027” i Madagasikara,  taorian’ny dinika nifanaovana tany an-toerana. Mialoha izay,  hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, ny volana septambra izao, any Italie sy ny  “World Cup” any Egypte, ny volana desambra izao,  i Ma­dagasikara. Nampanan­tena ny federasionina fa tsy maintsy handefa solontena na dia mafy aza ny fanomanana sy ny hoenti-manana amin’izany. Nisy ny lanonana nandraisana ireo Malagasy mpikatroka nitondra avo ny voninahi-pirenena,  omaly,  teny amin’ny Nova Hotel Ivato. Nanotrona izany ny filoham-boninahitry ny federasionina malagasy, kick boxing,  ny minisitra Lylison Rolland de René. Ity farany  izay nidera sy nankasitraka ny ezaka nataon’ny atleta,  ny finiavan’ny federasionina ary ny fikirizana nataon’ny ekipa teknika notarihan’ny Maître Rasoa­naivo André Kelly.  Nofara­nana tamin’ny fizarana mari-pankasitrahana avy any amin’ny mpanorina ny taranja Kick boxing, ny Maître Kel­ly, ny lanonana. Nahazo izany avokoa ireo ekipa teknika rehetra,  ny tale teknika ary ireo atleta.

Mi.Raz

Partager sur: