Nampihorin-koditra! Razana iray nifono lamba hitan’ny ankizy nilalao tao Ambavaloza, tsy lavitry ny fokontany Ankadinondry II, kaominina Ankadinondry Sakay, ny talata 1 jolay teo. Nasitrisitriky ny olon-dratsy tao anaty kirihitra, hitan’ny andian’ankizy nilalao tao anatin’io fokontany io ny taolam-balo maromaro niampy karan-doha miisa efatra. Tsy vitan’izay, razana iray mbola nifono lamba ihany koa napetrak’ireo tsy mataho-tody teo anilan’ireo taolam-balo ireo. Niantso olon-dehibe avy hatrany ireo ankizy ary nampahafantatra ny zava-nisy. Nidina ifotony nijery izany ny tomponandraikitra anivon’ny fokontany sy ny kaominina voakasika. Voamarina fa taolan’olona tokoa ireo hita tao anaty kirihitra ireo. Tsy fantatra mazava ny toerana nangalaran’ny tsy valahara ireo taolam-paty niampy razana iray nifono ireo. Niroso tamin’ny fikarakarana ilay razana iray ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina. Manatanteraka fanadihadiana momba ny tranga ny mpitandro filaminana miasa ao Ankadinondry Sakay.
Tsiferana R.




