Fahadiovan’Antananarivo : Mihatra ny sazy voalazan’ny CMH

Nanao fampitandremana ny fiadidiana ny tanànan’Anta­nanarivo amin’ny hampiharana ireo sazy voalaza ao anaty Code municipal d’hygiène, CMH. Tao aorian’ny fanadiovana faobe sy fanentanana, ho avy ny kaominina hampihatra ireo sazy voalaza ao. Anisany ny fandoavana ny sazy 50 000 Ar ary famerenana eo no ho eo ny fahadiovan’ny toerana nolotoina.
Araka ny voalazan’ny andininy faha-31, ao amin’ny torolalana ampiharana ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH), mahavoasazy ny fanaovana maloto eny amin’ny toerana sy lalam-bahoaka.
Anisan’ireo nampiharana izany fepetra izany ireo olona tratra nanao maloto ankalamanjana. Ny sazy nomena azy ireo dia ny famerenana amin’ny laoniny ny fahadiovan’ny toerana nolotoina. Tanjona ny hanabeazana sy hampahatsiahivana ny adidin’ny tsirairay amin’ny fitandroana ny fahadiovan’ny tanàna.
Maro ny fitsipika voarakitry ny CMH sy ny sazy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna. Tokony ho fantatry ny rehetra izany. Ny fahazarana amin’ny fahadiovana mihitsy no takina fa tsy miandry sazy.

Tatiana A

Partager sur: