METFP sy Madagascar Airlines : Hanofana matihanina amin’ny “aéronautique”

Vita Sonia ny alarobia teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa (METFP) sy ny Madagascar Airlines. Kendrena manokana ny hanofanana matihanina amin’ny sehatry ny “aéronautique” sy hampivelarana ny fahaiza-manao eto an-toerana. Haha­ritra enin-taona ny fifanaraham-piaraha-miasa izay natao hanatsarana ny fahafahan’ny tanora miditra eo amin’ny sehatry ny asa amin’ny alalan’ny fanofanana mifanaraka amin’ny filan’ny fitaterana ana habakabaka. Hamolavola fandaharam-piofanana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny roa tonta. Fanofanana mifandimby eo amin’ny sekoly sy orinasa ka hampihatra avy hatrany ny fahaiza-manaony eo anivon’ny Madagascar Air­li­nes ireo mpiofana. Hame­trahana ihany koa ny torolalana momba ireo asa ilaina amin’io sehatra io. Tanjona ny hanofana teknisianina sy matihanina mahafeno ny fepetra, indrindra amin’ny fikojakojana fiaramanidina sy ireo asa mi­fandraika amin’izany. “Mian­kina tanteraka amin’ny fahaiza-manaon’ny tanora ny hoavin’ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Hoza­raina sy hampiharina avy hatrany ny traikefa ananana mba hamoahana ny talentan’ny tanora izay afaka mamaly ny filan’ny sehatra”, hoy ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Rabarilala Rado. Tsy hijanona amin’ny fanatsarana ny fahafahan’ny tanora mahazo asa ity fiaraha-miasa ity fa mikendry ihany koa hanofana manam-pahaizana malagasy afaka mampandroso ny sehatry ny “aéronautique” eto amin’ny firenena. Hampihena tsikelikely ihany koa ny fiankinandoha amin’ny manampahaizana avy any ivelany izany.

Henintsoa

Partager sur: