Nilalao Briquet : Zaza dimy taona maty kilan’ny afo

Hotohoton’ny afo ny trano fonenany ary kila ny zaza manodidina ny 5 taona, tao amin’ny fokontany Ambalika, kaominina ambanivohitra Betsako, Faritra Boeny, afakomaly. Tsy nisy olon-dehibe tao an-trano. Nijanona irery tao an-trano, araka izany, ilay zaza. Nilalao fitaovana fandrehetana afo izy kanjo nitera-doza izany. Nirehitra ny trano ary nalaky nihitatra ny afo. Tsy vaofehin’ireo manodidina intsony izany. Nanao izay ho afany nanavotana an’io zaza io ireo nanatri-maso. May tanteraka ny trano ary azon’ny afo koa ny vatan’io zaza io. Tsy afaka nanao na inona na inona intsony ireo nanatri-maso satria tapitr’aina vokatry ny fahamaizana nahazo azy ilay zaza. Niroso tamin’ny fikarakarana ny vatana mangatsiakan’ity farany ny fianakaviana ary nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Marihina, matetika manaotao foana ireo zaza avelan’ny ray aman-dreniny irery ao an-trano. Vao herinandro vitsy lasa, zaza iray maty main’ny tariby nisy herinaratra tao an-trano, tao Andoharanofotsy.

Tsiferana R.

Partager sur: