Tsy nahazaka fakam-panahy : Pretra iray nanodikodim-bola 30 tapitrisa Ar

Nahoraka tamin’ny gazety lehibe tao Frantsa, nanomboka afakomaly, ny mahakasika pretra iray, teratany malagasy. Voalaza ho nanodikondim-bola tao amin’ny paroasy izay notantanany izy. Niasa tao amin’ny fiangonana ambanivohitr’i Paulhaguet, Faritra Auvergne-Rhône-Alpes, any Haute-Loire izy. Nitentina 5000 hatramin’ny 6000 Euros, ny vola izay nangalariny tao amin’ny kitapom-bolan’ny fiangonana. Vola azo amin’ny rakitra sy ny hasina omen’ny mpivavaka izany.
Nilaza ny Monseigneur, Yves Baumgarten, lehibeny fa tsy mametraka fitoriana ny fiangonana ho mariky ny famelan-keloka. Nandray ny fepetra amin’ny fampitsaharana azy amin’ny asany kosa anefa izy ireo. Izy rahateo efa tsy hita popoka hatramin’ny volana marsa, raha ny vaovao miely amin’ny gazety sy ny tranokalam-pifandraisana na ny haino aman-jery isan-karazany any ivelany. Nody taty an-tanindrazana hiala sasatra i mopera tamin’izany fotoana saingy tsy niverina intsony.
Nilaza hatrany ity eveka ity fa nisy ny fangatahana fanazavana tamin’ilay pretra saingy tsy nahazoana valiny mahafapo izany. «Nandà ny fiampangana azy izy», hoy hatrany ny loharanom-baovaon’ny mpanao gazety.
Hisy pretra hisolo ny toerany ary handray ny andraikiny amin’ny 1 septambra ho avy izao.

Mino

Partager sur: