Norombahan’ny Orange Digital Center ny amboara tamin’ ny fiofanana momba ny faharanitan-tsaina Artifisialy ho an’ny tanora malagasy. Nifantoka tamin’ny «Step Up Brain» na fametrahana vovonana hampivondronana sy hanadihadiana ireo antotan-kevitra ka ahafahana mandray fanapahan-kevitra ny tetikasan’ireo tanora. Nahazo ny «prix coup de cœur kosa ny Ecole Nationale de l’Informatique (ENI) ao Fianarantsoa, tanora namolavola ny tetikasa «News Letter Personnalisé pour les clients». Nampivondrona mpianatra sy matihanina manodidina ny 200 tao amin’ny Orange Digital Center Soarano ny Orange Ainga Data, andiany voalohany. Hetsika nokarakarain’ny Orange Madagascar sy ny Ingedata. Tanjona ny hampiseho fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny niomerika. Nisongadina nandritra ny hetsika ny fifanakalozan-kevitra, fizarana traikefa ary ny Ideathon. Ity farany izay fifaninanana nanasana ireo mpandray anjara hamorona, tao anatin’ny ora vitsy, vahaolana niomerika mifototra amin’ny Data na Faharanitan-tsaina Artifisialy hamaliana olana eo amin’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara.
Fandaharanasa
Ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra eo amin’ny niomerika ny Orange Ainga Data. Tao ireo manampahaizana momba ny Data, mpianatra, mpandraharaha. Nahazo tohana sy fiofanana fanampiny ka afaka mampivelatra ny tetikasa eo anivon’ny Orange Digital Center ny ekipa manana tetikasa mendrika. «Porofon’ny fahaizan’ny tanora ity fifaninana ity», hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye. Nasongadina manana hevitra vaovao, fahasahiana ary fahaiza-mamorona ny tanora malagasy ka afaka mamadika ny filan’ny orinasa ho vahaolana niomerika. Antony nanaovana fiofanana nanomezana mari-pankasitrahana momba ny Faharanitan-tsaina Artifisialy, mba hanofanana tanora mahay mikirakiara ara-drariny ny IA eto Madagasikara. Marihina fa anisan’ny nandray anjara tamin’ny fifaninana ny Emit Fianarantsoa, ENI Fianarantsoa, Misa, Programme Sesame, Esti, Département Mathématique, Orange Digital Center, Haute École d’Informatique (HEI), Institut National Supérieur d’Informatique (INS).
Henintsoa




