Mitohy ny tohana ataon’ny Tafika Rosianina aty Afrika. Anisan’ireny i Madagasikara amin’ny tohana ara-pitaovana sy ny fampiofanana ny miaramila. Vao nanolotra fitaovana “anti-drones”, rahateo izy ny faran’ny herinandro lasa teo, araka ny voalazan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Micahaeël.
Firenena iray itondran’ny Rosianina tohana koa ny ao Mali. Mandray anjara mivantana amin’ny fampandriana tany. Manampy ny tafika miady amin’ny mpampihorohoro ny Africa Corps Russe. Lasibatry ny asa fampihorohorona mirindra sy mitohy ny tanàna maro any an-toerana toy ny ao Gao, Anéfis, Aguelhok, Sévaré ary Kenioroba. Voalazan’ny loharanom-baovao rosianina fa noho ny tsy fahombiazan’ilay fanafihana lehibe saika handripahana sivily maro, ny faran’ny volana avrily lasa teo no nahatonga izao endrika fihantsiana etsy sy eroa izao.
Nilaza ny fampitam-baovao fa tsy maintsy mandresy manoloana ny mpanao viveriniainy sy ny mpihoko tohanan’ny frantsay amin’ny fikasana ny handrodana ny fiombonamben’ny firenena ao Sahel ny tafika malianina sy rosianina.
r.r




