«Fitaovam-piadiana iray ihany no nampiasain’ireo mpanao ratsy ao Toamasina Renivohitra», araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, omaly. Nanomboka ny 24 jona lasa teo hatramin’ny omaly, miisa efatra ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tany an-toerana. Ny taim-bala nampiasain’ireo olon-dratsy no nahafahan’ny mpitandro filaminana namantatra io toe-javatra niseho tao an-toerana io. Olona miisa sivy voasambotra ary tompon’antoka tamin’ny fanafihan-jiolahy mahery vaika avokoa izy ireo.
Voasaringotra tamin’ilay raharaha nahafatesana ankizivavy 12 taona ny dimy. Efa notazomina vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy izy ireo. Atao fanadihadiana lalina eny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana kosa, ireo olona efatra hafa. Manoloana ny zava-mitranga, miantso ny mpiara-belona hifampizara vaovao ara-potoana amin’ ny polisim-pirenena na ny zandary akaiky azy mba ahafahana misoroka ny asan-jiolahy ny tomponandraikitra. Sokajian’ ireto farany ho tafiditra anatin’
ny paikady fanakorotanana ny firenena ataon’ireo fahavalom-pirenena koa, io tsy fandriam-pahalemana miseholany ao Toamasina io.
Tsiferana R.




