TSELATRA

Nambanan’ny olon-dratsy antsibe, voaroba ireo telo mianaka nikasa hamonjy fiangonana vao maraina teny Andravoahangy, omaly. Lasan’ireo tsy valahara ny poketra nisy vola sy baiboly ary ny findain’ny zanak’izy mivady.

Olona iray nifatotra lamba teo amin’ny lohany hita faty teny Androndra, omaly maraina. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Tsikaritry ny mpandalo teny an-toerana io fatin’olona io.

Mpanamboatra fiara iray naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Ivato, afakomaly. Nanga­lariny nentina ny fiara an’olona namboarina. Nandeha mafy sady efa mamo io lehilahy io ka nivadika ny fiara nentiny.

Partager sur: