Nilanja sorabaventy ireo mponina eny amin’ny fokontany Antohomadinika Atsimo, boriborintany voalohany, omaly. Nitsipaka ny fametrahana ny sefo fokontany vaovao izy ireo. « Tsy manaiky filoham-pokontany vaovao izahay. Aleo fidiana izay hitantana », hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpitokona teny an-toerana. Manohana hatrany ny sefo fokontany teo aloha ireo nilanja sorabaventy, araka ny angom-baovao. Nosakanan’ireo mpitokona tsy hiditra ny toeram-piasany, araka izany, ny sefo fokontany vaovao izay napetraky ny tomponandraikitra. Tsy vao sambany, tranga matetika niseho teny anivon’ireo fokontany sasantsasany eto Antananarivo Renivohitra ity hita teny Antohomadinika Atsimo, omaly, ity. Nitrangana fitokonana tahak’izao koa ny teny amin’ny fokontany Ankazomanga Atsimo, ny herinandro lasa teo. Nahitana izany koa ny teny amin’ny fokontany Soavimasoandro, iray volana lasa.
Tsiferana R.




