Nisitraka fampitaovana ireo polisin’Ala ao Morondava. Finday sy masolavitra no nomena an’ireo mpisafo miisa 210 hanamafisana ny fanaraha-maso ny ala honko sy ny harena voajanahary ao amin’ny faritra Menabe. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Honko Mamelon’jafy na PCD II. Marihina fa vehivavy ny avy amin’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony ny 17 amin’izy ireo.
Mandroso ny fandaharanasa Progres izay natao hanohanana ara-bola sy ara-pitaovana ny tanora manana tetikasa ara-pambolena sy ara-pamokarana eny ambanivohitra. Anisan’ireo asa mbola miandry ny fanatsarana ny tohana omena ny tanora mba hampahomby ny asa atao. Jerena ihany koa ny hisafidianana ireo tetikasa. Mila hampiofanina manokana koa ireo tanora izay mitondra ny tetikasa mialoha ny hanomezana azy ireo ny tohana. Arahi-maso ireo tanora amin’ny alalàn’ny “Coach d’entreprise” mandritra ny fotoana iaingan’ny tetikasa.




