Ao anatin’ny fanvaozana manontolo ny lisi-pifidianana ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) amin’izao. Ao anatin’ny fitondrana Fanavaozana ihany koa… Nisy àry ny dinik’asa teny amin’ny foiben-toerany, Alarobia, omaly. Ho amin’ny fanovana manontolo ny lisi-pifidianana andaniny; ankilany, hizorana amin’ny vinan-tetiandro naroson’ny Ceni ho amin’ny fanatanterahana fifidianana. Nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny antoko politika, ny fiarahamonina sivily, ny haino aman-jery, ny rafitra na andrimpanjakana voakasika… Fanohizana ny fikaonandoha teny Ivato, tamin’ny 29 mey, ny dinak’asa.
Hitondrana ny asa rehetra hatao no nifanatrehana. Zava-dehibe eo amin’ny sehatra rehetra misy ny tsirairay avy ny fanatanterahana ny teny nomena. “Koa satria efa nanome teny ny Ceni fa lalan-tsaina telo no itondrana ny asa aman-draharaha rehetra tanterahina momba ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara: hotanterahina izay efa nampantenaina”, hoy ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Nolazaina ireo lalan-tsaina amin’ny fomba fiasa hifehezana sy hiaraha-mitantana ny fanomanana ny fifidianana. Voalohany, tsy maintsy atao ao anatin’ny ara-dalàna ny asa rehetra. Faharoa, tsy maintsy atao ao anatin’ny fangaraharana. Farany, tsy maintsy hampandraisina ny rehetra na inona na inona atao. Izay no teny nifanomezana, ary tsy maintsy tanterahina mandritra ny zotram-pifidianana rehetra, amin’ny andraikitra sy ny asa atao hikarakarana sy hanomanana ny fifidianana.
*
R. Nd.




