Nahitana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Rocade Tsarasaotra, fokontany Sampanana Ambodifasina, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina tamin’ny 11ora alina mahery tany ho any. Olona nandalo no nahita ny tranga ka nampandre ny mpitandro filaminana. Tonga nampakatra ny fiara sy nikaroka ireo olona tao anatiny ny mpamonjy voina. Hita faty ny lehilahy iray 32 taona, 10 minitra taorian’ny fikarohana azy. Omaly maraina tamin’ny 5 ora no hita ny fatin’ny lehilahy iray hafa, 23 taona. Fiara marika Subaru, nitondra olona roa io niharan-doza io. Nandeha mafy ny mpamily izay avy any Tsarasaotra ary hihazo an’Ivato. Tsy nahatana ny familiana ny mpamily rehefa tojo fiolahana maivana ka nivarina tao anaty rano. Vokany, potika tanteraka ny fiara nentin’izy ireo. Namoy ny ainy ireo roa lahy tao anaty fiara. Nahenoana fofon-toaka ihany koa ny vavan’ireo lehilahy namoy ny ainy ireo, nandritra ny fitsirihana nataon’ny mpitandro filaminana. Mbola nahitana tavoahangina labiera tao anaty fiara. Tombanana ho vokatry ny fandehanana mafy, niampy fahamamoana nitondra fiara, ny anton’ny loza.
Mino




