Anisan’ireo nidina ifotony any Toamasina, miaraka amin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly. Hentitra ny nambarany manoloana ireo tomponandraikitra isan-tokony.
«Asa mivaingana no andrasan’ny olom-pirenena amintsika mpitondra. Tsy tatitra hampifaliana fa hanitsiana ny tsy mety no atao. Ny zava-misy tenenina fa aza misolelaka», hoy izy tamin’ny fihainoana ireo tomponandraikitra ao Toamasina. Anton-dian’ny delegasionina tarihin’ny Filoha sy ny lehiben’
ny governemanta ny hijery akaiky ny fandrosoan’ny fanarenana an’i Toamasina sy ny tontolon’ny fandriampahalemana. Anisan’izany ireo asa maika hotanterahina, ny ady amin’ny kolikoly, ny momba ny famatsiana herinaratra ary ny lafiny fandriampahalemana
Nanteriny fa nisy tokoa ny fiaraha-mientana amin’ny fanampiana ireo tena sahirana sy ny famatsiana vola ho amin’ny fanarenana ireo fotodrafitrasa iombonana. Noraisina tamin’izao fivoriana sy atrikasa niarahana amin’ny tomponandraikitra izao ny fepetra sy ny lamin’asa. «Hihena ny delestazy eto Toamasina, manomboka amin’ny alatsinainy izao, ary efa mihoatra ny filana ny famokarana angovo amin’izao fotoana izao», hoy izy. Notsindriny fa mila miaraka mirona manatanteraka ny fanavaozana isika rehetra.
Tsy hilalao fotoana
Notsiahiviny fa anisan’ny tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina, araka ny toromariky ny Filohan’ny Fanavaozana. Nohitsiny ny tsy tokony hilalaovana fotoana fa efa mahantra ny vahoaka ka tokony hahay misafidy ny laharam-pahamehana ny rehetra. « Ilaina ny tombana rehefa vita ny asa, efa nampitaina amin’ireto minisitra ireto izany, ary omena antsika koa », hoy ihany izy.
Etsy andaniny, hampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana ao an-toerana, manoloana ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina.
Synèse R.




