Nikasa hangala-jaza : Olona telo voasambotry ny fokonolona

Ahenoana zaza sy olona very hatrany isan’andro, miparitaka anaty tambajotran-tserasera. Omaly, olona roa, nahitana vehivavy iray sy lehilahy iray, voasambotry ny fokonolona tetsy Ankazo­manga Tsaramasay, ny maraina. Voalaza fa nikasa hangala-jaza tamin’ny alalan’ny fanomezana balaonina izy ireo, raha ny fanazavana voaray tamin’ny mponina. Na­hatsikaritra izany ny olona teny amin’ny manodidina ka avy hatrany dia niantso ny fokonolona. Natao ny fanenjehana azy ary nifandrombonan’ny mponina novonoina izy ireo. Vokany, naratra mafy ireto farany. Ankoatra izay, lehilahy iray hafa koa niharan’ny hatezeram-bahoaka tetsy Vassacoss, omaly tolakandro. Nikasa hangala-jaza teny amin’ny manodidina ihany koa ny tenany, raha ny fanazavana voaray. Tonga teny an-toerana nandamina ny zava-misy sy nisambotra azy ireo ny polisy. Nahitana mosoara, ranomanitra, fitaovam-panindromana ary basy tany amin’izy ireo nandritra izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Mbola ao anaty fanadihadiana lalina kosa ny mpitandro filaminana hatramin’ny nanoratana, omaly.

Mino

Partager sur: