Ralaivahiny Frerot : « Tsy milisin’ny Kly Michael ny Bandeau rouge… »

Naneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny «Bandeau rou­ge», amin’ny alalan’ny mpitondra teny, Ralaivahiny Frerot. Nambarany fa vovonana iray ahitana antoko politika sy fikambanana ary olon-tsotra ny «Bandeau rouge». Nitsan­gana tamin’ny fotoana nampamaivay ny tolona, fony andron’ny fitondrana Rajoelina. «Efa nanana endrika fanandevozana toy ny tamin’ny andron’ny mpanjanaka tamin’izany ka nijoro izahay ho toy ireo vondrona tia tanindrazana, ohatra ny nataon’ny Mena­lam­ba… Tsy milisin’ny filoha Randrianirina Michaël izahay», hoy izy. Nohitsiny fa diso ny filazana azy ireo ho vondrona mahery fihetsika… Nanohana ny Fanavaozana izy ireo ary tsy mbola nitaky toerana na sefo fokontany na minisitra na sekretera jeneraly na koa mpanolotsain’ny filoha.. «Tsy sakana ho anay izany ary tokony hahay haka lesona isika fa tsy voatery hahazo fitondrana na seza avokoa ireo mpitolona rehetra ka hihazakazaka tsy mahandry tantana», hoy ihany izy. Nan­teriny fa anjaran’ny Filoham-panjakana ny mijery izany amin’ny fotoana mampety azy, tsy misy faneriterena.
Momba ny fanambaran’ny SADC farany teo, nohitrikitrihin’ny « Bandeau rouge » fa tsy misy mpanao politika migadra izany eto, nandositra noho ny ratsy nataony ny filoha teo aloha, Rajoelina, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, nitodika amin’ny FFKM ny «Bandeau rouge» ka nilaza fa tokony hivelatra bebe kokoa ny fitarihana ny fikaonandoham-pirenena. Tokony ho anisan’ny ao anatin’izany ny tangalamena, ny ara-drazana, ny avy amin’ny silamo.

Synèse R.

Partager sur: