By-Pass : Vazaha niitondra moto maty tsy tra-drano

Raim-pianakaviana, teratany vahiny, namoy ny ainy tetsy By-Pass, omaly maraina. Nisosa tamin’ny arabe ny moto nentiny rehefa nikasa hisongona fiara teo alohany.

Nipitika teo afovoan’ny arabe, namoy ny ainy, ny teratany vahiny iray teny Androndrakely By-Pass, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 38 minitra. «Avy any amin’ ny lalan’i By-Pass hihazo ny Filatex ilay mpitondra moto », hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena miasa eny an-toerana. Nikasa hisongona fiara teo alohany izy. « Somary mbola nisy zavona sy ranonando ka nalama ny lalana, tsy voafehiny ilay moto», araka ny angom-baovao. Nianjera tamin’ny arabe izy taorian’ny fifampikasohana teo aminy sy ilay kamiao niloko mainty teo akaikiny. Nipitika ny moto, nifatratra tamin’ny fiara nifanoha-dalana taminy.
Nanao aroloha ara-dalàna ilay vazaha tra-doza. Mafy ny dona nahazo azy ka vaky ra teo no ho eo ny lohany. Tsy afa-nialana nenina akory. Maty segondra vitsy taorian’ny loza nahazo azy. Moto lehibe antsoin’ny besinimaro « grosse cylindrée » no
nentiny.

Nandeha mafy

Raha ny fanazavana voaray tamin’ny olona teny amin’ny manodidina, izay nahita ny zava-nitranga, efa mandeha mafy sy tia mirifatra amin’ny moto ilay lehilahy niharan-doza io. Efa mpandeha matetika eny an-toerana izy talohan’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nidina avy hatrany teny an-toerana, nijery ny zava-nisy sy nanao fanadihadiana, ny mpitandro filaminana. Nandrindra ny fifamoivoizana isorohana ny fitohan’ny fiara izy ireo.
Nentina nanaovana fanadihadiana any amin’ny bi­raon’ny mpitandro filaminana moa ny mpamilin’ilay fiara nifandona tamin’ilay olona namoy ny ainy. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Ilaina hatrany ny fitandremana hisorohana ny tranga mahafaty tahaka itony.

Tsiferana R.

Partager sur: