Vatana mangatsiaka an’ilay raim-pianakaviana hany sisa hitan’ny fianakaviany tao amin’ny fokontany Marodinta, kaominina Antsirabe, omaly maraina. Nihohoka tamin’ny tany nanamorona ny fasan’ny mpino tao Ambohimahazo, io lehilahy io, tamin’ny fotoana nahitan’ny fokonolona azy. Niandry azy ny ankohonany ny harivan’ny alakamisy saingy tsy nody an-trano io raim-pianakaviana 54 taona io, araka ny loharanom-baovao. Naharay fampandrenesana tamin’ny tsara sitrapo izy ireo fa hita saingy efa tsy misy aina intsony ny havan’izy ireo. Naratra ny vatan’ilay olona namoy ny ainy. Ahin’ireo nanatri-maso ho notaritarihina izy taorian’ny fitsirihan’izy ireo ny ratra. Miahiahy ny fianakavian’io lehilahy io. Heverin’izy ireo ho nifanehitra tamin’ny mpivoaka alina ny havan’izy ireo ka niharan’ny asa ratsy. Natao fizahana ny nofo mangatsiakan’ilay lasibatra ary natolotra ny fianakaviany.
Tsiferana R.




