Namono vehivavy mpitazona Cash point : Lehilahy voarohirohy, maty nodoran’ny fokonolona

Lehilahy iray noahiahina tamin’ny famonoana vehivavy iray mpanao Cash point tany Maintirano, maty nodoran’ny fokonolona velona tany an-toerana, omaly tamin’ny 4 ora hariva.

Voatazona tao amin’ny biraon’ny FIP Main­ti­rano izy io, ny sabotsy. Nitaky ny hamoahana azy ny fokonolona sy ny fianakavian’ilay vehivavy nisy namono. Omaly, tezitra ireo vahoaka ka nanao an-tery ny famoahana ity farany tao. Avy eo nodorany velona teny afovoan-tokotany malalaka ka maty. Nan­dritra ny fotoana fivoriana faharoa nataon’ny OMC tany amin’ny Biraon’ny groupement Melaky no nisehoan’izany. Tsiahivina fa nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, ny zoma alina teo, ny vehivavy mpanao Cash point iray tany Maintirano. Tsy tonga nanao versement ny tenany rehefa avy nivarotra ny alakamisy, saingy hifa faty ny ampitson’io. Nanao ny fikarohana ny polisy ka voasambotra ny lehilahy iray. Nota­zomina natao andrimaso sy nanaovana fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny polisy izy. Naheno izany ny mponina sy ny fianakaviany ka nitaky ny hamoahana ilay lehilahy. Naterin’izy ireo tao amin’ny biraon’ny polisy ny razan’ilay vehivavy nisy namono, ny sabotsy hatramin’ny omaly atoandro, rehefa tsy nivaly ny fitakian’izy ireo.

Efa nisy ny fifampiresahana
Efa nisy ny fifampiresahan’ny solontenan’ny fianakavian’ny maty sy ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny, niaraka tamin’ny OMC, omaly atoandro. Tapaka, nandritra izany, fa tokony havela malalaka izy ireo hanao ny fanadihadiana mba hahafantarana ny marina mahakasika ny vono olona. Tsy nahandry izany ny mponina ka izao niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka izao. Taorian’ny tranga, nesorin’ny fianakaviana tao amin’ny biraon’ny polisy ny razana, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Simba ny vavahadin’ny Tobin’ny FIP Maintirano sy ny varavaran’ny kaomisaria foibe noho ny tora-bato nataon’ireo vahoaka. Nilamina ny tany an-toerana taorian’ny tranga.

Mino

Partager sur: