Nigadona eto amintsika, omaly, ny delegasionina avy amin’ny Firenena mikambana (ONU), tarihin’i Parfait Onanga- Anyanga sy ny avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), i Mohamed Idriss Farah. Navoitran’ny fanambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa hanamafy hatrany ny fahavononan’ireo fikambanana roa tonta hanohana an’i Madagasikara izao dian’izy ireo eto izao. « Ao anatin’ny fizotry ny Fanavaozana mifanaraka amin’ny toromarika napetraky ny filankevitry ny fandriampahalemana sy ny filaminan’ny UA izany », hoy ny fanambarana. Midika izany fa hijery akaiky sy hanara-maso ny fizotry ny tetiandro sy ny tondrozotra ary koa ny momba ny fikaonandoham-pirenena ireto delegasionina mafonja avy amin’ny ONU sy ny UA ireto.
Nankasitraka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireto rafitra roa lehibe ireto, indrindra amin’ny alalan’ny fampiharana ny «African Facility to Support Inclusive Transitions -AFSIT», ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice. Nohamafisiny fa hanampy amin’ny fanamafisana ny Andrimpanjakana sy ny fanjakana tan-dalàna ary ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana izany fanohanana izany. «Manaja tanteraka ny fiandrianam-pirenena sy ny laharam-pahamehana napetrak’i Madagasikara izany», hoy ihany izy. Vonona koa ny governemanta hanohy ny fifampiresahana amin’ny ONU sy ny UA ary ny Sadc mba hanohanana ireo fanavaozana efa natomboka, hanangonana ny fanohanana ilaina ary hahatonga ny Fanavaozana ho fototra maharitra ho an’ny fandriampahalemana, fitoniana ary fampandrosoana, araka ny nambarany.
Synèse R.




