FANTINA sy FINTINA

Nanome toromarika sy fampahatsiahivana ireo tomponandraikitra ao Toamasina ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa efa maro ireo asa vita sy natomboky ny minisitera tao anatin’ny sivy volana. Nanteriny koa fa tsy voafetra amin’ny fikaonandoha ihany ny fanavaozana.
Miantso ny mpisafo raharaham-panjakana “Inspection générale de l’État -IGE” ny filohan’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny, mba hanamarina ny fitantanana sy ny fampiasana ny vola eo anivon’io Andrimpanjakana io. « Tsy noho ny fisalasalana fa noho ny finiavana hampanjaka ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra », hoy izy.
Mitaky ny hifidianana ny mpitantana eny ifotony ny avy amin’ny Fivato, Radimbielson William. Nohitsiny fa homen-danja ny andrimasompokonolona; etsy ankilany, tendrena ny lehibem-pokontany. «Tsy mifandrindra izany. Raha hanome lanja sy fandrisihana ny fokonolona eny ifotony, tokony hofidina ny eny anivon’ny fokontany », hoy izy.
Handao an’i Madagasikara tsy ho ela ny masoivoho frantsay, i Arnaud Guillois. Notoloran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice, mariboninahitra tetsy Anosy, ny tenany, omaly. Nankasitraka ny fandraisany anjara tamin’ny fanamafisana hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta ny minisitra, tamin’izany.

Partager sur: