Folo volana taty aorian’ny tolom-bahoaka, namoy ny ainy ny raim-pianakaviana anisan’ny voatifitra teo amin’ny ranjony teny amin’ny Capsat. Narary tampoka ka nalevina omaly izy.
Namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana anisan’ny voatifitra teny amin’ny Capsat ny 12 oktobra 2025. Notanterahina omaly ny fandevanana azy. Efa nialana nenina sy notsaboana nandritra ny volana maromaro izy. Potika tanteraka ny taolan-dranjony noho ny voina tampoka nahazo azy. «Efa nihatsara ny fahasalamany, ary efa nisy fotoana nitsangana izy», hoy ny fanazavana avy amin’ny fianakaviana akaiky azy.
Nandalo tsy fahasalamana tampoka anefa izy izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Raha tsiahivina, nivoaka ny trano, handeha hantsaka rano izy no voatifitra. Nisy ny fiaraha-mientan’ny olona tsara sitrapo sy ny fianakaviana nanampiana azy, nandritra ny fotoan-tsarotra izay. Marihina fa anisan’ny voatiftra tsy nahy, niaraka tamin’ilay miaramilan’ny Capsat teny Andrefan’Ambohijanahary izy.
Mandray andraikitra.
Miandry ny fandraisana andraikitry ny fanjakana manoloana ny voina ny fianakaviana. Ny fitondram-panjakana izay mijoro manoloana ny tsy fandehanan-draharaha isan-karazany amin’izao fotoana izao. Misy ny fidinana ifotony sy famangiana ny fianakaviana lasibatry ny asa ratsin’ny mpangala-jaza.
Teny Ilanivato izy ireo omaly, notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël sy ny mpanolotsaina avo, ary ny mpiara-miasa. Namangy ny fianakavian’i Sahala izay nisy nangalatra ny 29 jona ka hita faty teny Amboanjobe ny ampitson’io.
Tsiferana R.




