16 TAONA ATY AORIANA : Hamerina ny zava-bitany i Espagne

Tafakatra indray any amin’ny dingan’ny famaranana ny ekipam-pirenena La Roja Espaniola rehefa tsy nahita izany nandritra ny 16 taona. Hiezaka ny hamerina ny zava-bitany tamin’ny taona 2010 ry zareo.

“16 taona aty aoriana !” Izay indray vao tafita hiatrika ny famaranan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, “Mondial”, ny ekipam-pirenena espaniola, la Roja. Azon’izy ireo izany tapakilan’ny dingana farany izany rehefa nandavo ny Les Bleus France, tamin’ny isa 2 no ho 0, tao amin’ny Kianjan’i Dallas Etazonia ry zareo, afakomaly.
Tsy mbola afa-bela amin’i Espagne, araka izany, ny Les Bleus France. Ry zareo espaniola ihany no nanintsana azy, 2 no ho 1, tamin’ny “Euro 2024” farany teo iny. Tsara ny mampahafantatra fa tsy mbola resy mihitsy ny espaniola tamin’ity Mondial ity. Baolina iray ihany no tafiditra tao amin’izy ireo, raha toa ka baolina 12 no efa nampidirin’izy ireo tamin’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity.
Ireto La Roja ireto izany no azo lazaina fa tsara vodilaharana indrindra tamin’ity “Mon­dial 2026” ity.

Hiezaka haka ny kintana faharoa…
Tsy maintsy hanao izay fara heriny, ahazoana ny kintana faharoa, hamerina ny zava-bita tamin’ny taona 2010, i Espagne. Ilay “Mondial 2010” natao tao Afrika Atsimo ihany, no mba amboara maneran-tany, azon’ny La Roja. Nam­baran’ireo mpilalao fa tsy maintsy hiezaka izy ireo ny hitondrana indray ny amboara volamena, “Jule Rimet”, ao Espagne.
Hofantatra ny alahady 19 jolay ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ny New York, ny valin’izany.

Fitia Randria

Partager sur: