Vokatry ny fisetrasetran-dRabetarehy, mpamily taxi-be sy ny saofera iray teny Mahitsy, mpandeha enina naratra, omaly. Nifanenjika izy ireo ka nivadika ny fiara iray. Tsy nisy ny aina nafoy.
Zaza telo taona sy olon-dehibe miisa roa naratra mafy nandritra ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny RN4, PK28+500 Antongobato, kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Niainga avy any Mahitsy, nikasa hihazo an’ Antananarivo, ny taxi-be miisa roa, araka ny tatitry ny zandary miasa eo anivo’ny tobim-paritra Mahitsy. Nifampitsapatsapa tanjaky ny motera ireo mpamily roa lahy ka nifampisongona. Niafara tamin’ny loza anefa io fisetrasetrana io. Nivoaka ny arabe ary nivadika ny iray tamin’ireo taxi-be. «Tafajanona tamin’ny sisin-dalana kosa ny iray», araka ny loharanom-baovao marim-pototra. Naratra ny mpandeha miisa enina tao anatin’ilay taxi-be nivadika. «Olon-dehibe miisa roa samy voa mafy, miampy zaza iray 3 taona», hoy ny zandary. Tetsy ankilany, nahitana ratra, saingy tsy voa mafy ny olona telo hafa. Manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly Bejofo ireo tra-doza.
Nandositra ny mpamily
Nandritra ny savorovoro tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, nandositra ny mpamilin’ilay fiara nivadika. Niatrana teny an-toerana nanao ny famotorana momba ny lozam-pifamoivoizana io ny zandary. Fantatra amin’ny solon’anarana Rabetarehy io mpamily nandositra io. Niteraka ny loza ny fandehanana mafy diso tafahoatra sy tsy fanajana ny mpandeha. Marihina fa matetika miteraka lozam-pifamoivoizana eo amin’ireo fiara fitateram-bahoaka ny fifanenjehana ataon’ireo mpamily. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara nitera-doza. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Mpitondra moto iray maty
Ankoatra izay, lehilahy iray nitondra moto maty nifatratra tany ambanin’ny fiarabe, tetsy amin’ny Digue Anosipatrana, ny alin’ny talata hifoha omaly. Nandeha mafy io mpitondra kodiaran-droa nikasa hisongona fiarabe teo alohany io, raha ny fanazavana avy amin’ireo nanatri-maso. Somary nidona tamin’ny vodin’ilay fiarabe nokasainy hosongonana anefa izy ary avy eo nianjera sy nifatratra tany ambaninin’ny fiarabe iray nifanena taminy. Vokany, maty tsy tra-drano voahitsaky ny kodiarana ny tenany. Tsy hitan’ny mpamilin’ilay kamiao nahavoahitsaka azy izy satria nisongona tany amin’ny ankavanan-dalana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana sy ny polisy avy eny Ilanivato. Natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny kaomisaria moa ny mpamilin’ilay kamiao nahavanon-doza, taorian’izay.
Tsiferana R.




