Tenisy – Billie Jean King Cup :  Tsy tafavoaka teo anatrehan’i Nigeria i Madagasikara

Notontosaina omaly, tatsy Botswana, ny andro fahatelo fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny lalao isan-tarika, taranja tenisy, « Billie Jean King Cup », ho an’ireo firenena afrikanina anaty vondrona fahatelo, sokajy vehivavy. Taorian’ny fahombiazana in­droa nisesy, teo anatrehan’ireo namibianina sy ny borondey, izay nahazoan’ny Mala­gasy fandresena, isa 3 no ho 0, avokoa, dia tsy tafavoaka teo anatrehan’i Nigeria, ry zareo. Lavon’ny vehivavy nizerianina, tamin’ny isa 3 no ho 0, indray teto ny ekipam-pirenena malagasy, omaly.
Raha ny fikarohana natao, tsy tafita amin’ny dingana manaraka, izay hizotra ma­nomboka anio hatramin’ny sabotsy izy ireo, satria izay voalohany isam-bondrona iha­ny no miatrika izany. Raha hiverenana kely ny fihaonana omaly, resin’i Success Ogun­jobi, nizerianina, seta 2 no ho 1, (2,6/6,3/6,3) i Harena Voaviandraina, teo amin’ ny lalao tsotra voalohany. Ny faharoa kosa, mbola lavon’i Barakat Oyinlomo Quadre, seta 2 no ho 0, (6,3/6,3) ihany koa Iariniaina Tsantaniony. Farany, ho an’ny olon-droa miaraka, nampiondrihan-dry Success Ogunjobi sy Barakat Oyinlomo Quadre, seta 2 no ho 0 (6,2/6,0), Andriantefi­hasina Elisoa, sy Iariniaina Tsantaniony.
Laharana faharoa ao amin’ny sokajy “C” izany i Madagasikara. Mbola mijanona ao amin’io vondrona fahatelo io ihany, amin’ity “Billie Jean King Cup” ity izy ireo.

Tompondaka

Partager sur: