Baolina kitra – D2 Nasionaly : Hiady ny tapakila ny Disciples FC sy ny Toulon

Hotanterahina ao amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, rahampitso, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Hiady ny amboara sy ny medaly volamena, amin’izany, ny ekipan’ny Disciples FC Espoir sy ny Toulon Academy Football.
Raha hiverenana kely ny manasa-dalan’izy ireo, lavon’ny Disciples tamin’ny isa 2 no ho 0, ny AS St Gabriel. Ny Toulon F.A kosa nanintsana ny Cosfa Espoir tamin’ny fandakana “tir aux buts”, 5 no ho 4, rehefa nisaraka ady sahala 2 no ho 2, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny klioban’ny Disciples Espoir FC izay efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasi­kara, ho an’ny sokajy zandriny U20, tamin’ny taona 2025 lasa teo.
Marihina fa hisolo tena ny ligin’Analamanga any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, divizionina faharoa, nasionaly, izay tafavoaka amin’ireto ekipa roa ireto. Ity fifanintsanana ity, raha tsy misy ny fiovana farany, hotontosaina ny volana aogositra ho avy izao ny dingana voalohany.

Fitia Randria

Partager sur: