Mondial 2026: Norombahin’i Angleterre ny medaly alimo

Nentin’ny Three Lions Angleterre, ny medaly alimo teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany « Mondial 2026 ». Resin’izy ireo teo amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo ny Les Bleus France. Fihaonana nisian’ny baolina tafiditra betsaka indrindra.

Ny Three Lions Angle­terre, no nahazo ny la­harana fahatelo ary niambozona ny medaly alimo. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Miami, ny sabotsy lasa teo. Resin’ny anglisy, tamin’ny isa 6 no ho 4 ny Les Bleus France. Niady ny lalao, ary nifandimbiasana ny fanafihana saingy nanantombo teo amin’ny fahaizana mamono baolina ny anglisy.
Efa nitarika 4 no ho 0 ny izy ireo vao namono baolina ny frantsay. Vao nanomboka 3 mn ny lalao dia efa nanokatra ny isa i Rice. Tsy nijanona tamin’io fa mbola nanampy izany indray i Konsa (18 mn). Taorian’io, niezaka hatrany ry Olysé sy i Mbappé saingy voasakan’i Henderson, mpiandry tsatoby avokoa ny dakan’izy ireo. Rehefa izany, mbola nampidi-baolina fanintelony i Saka (37 mn). Tsy nijanona izany raha tsy efatra satria mbola nahatafiditra baolina indray izy, tany amin’ny fanampim-potoana (45 + 1) ka nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 4 no ho 0 io.
Nihevitra ny rehetra fa tsy hahatohitra intsony ny frantsay eo amin’ny fizaram-potoana faharoa saingy nifoha tamin’ny torimasony izy ireo ka nisesy ny baolina matiny. Vetivety foana dia 4 sy 3 ny lalao. Samy nampidi-baolina tamin’izany i Mbappé (48, 66 mn) ary i Barcola (54 mn). Efa ambony ny moralin’ny frantsay saingy nahafaty «pénalty» indray i Saka (87 mn). Nam­pihena ny isa indray i Dembele (90 + 6 mn). 5 no ho 4 teo ny isa. Nitady irika hanasahalana ny Les Bleus saingy ny Three Lions indray no namono baolina tamin’ny alalan’i Bellingham (90 + 8 mn) ka nahatonga ny isa ho 6 no ho 4. I Mbappé no mpilalao nahafaty baolina be indrindra tamin’ny tantaran’ny «Mon­dial» izay miisa 22. Voaho­sotra ho mpilalao mendrika kosa i Saka.

Tompondaka

Partager sur: