Rugby XXL Top 12 : Tafita ny Uscar sy ny FTM Manjakaray

Notontosaina ny alahady teo, ny lalao sakana hiakarana amin’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, Federaly I, XXL Top 12. Tafita hiatrika izany dingana manaraka izany ny ekipan’ny Uscar sy ny FTM Manjakaray. Ny ekipan’ny kaominina, nandavon’ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa, 38 no ho 27. Rava tsy lera kosa ny fifanandrinan’
Anka­difotsy sy ny FTM Manja­karay, omaly, nitsahatra teo amin’ny minitra, faha-78. Raha ny hita teny an-toerana, nisy fanapaha-kevitra noraisin’ny mpitsara tsy neken’ny mpilalaon’Ankadifotsy ka ni­tsahatra ny lalao ny roa minitra tsy hifaranan’izany. Tsara ma­rihina fa nitarika 22 no ho 18, ny USA Ankadifotsy, teo amin’ ny fidirana voalohany, ka tany amin’ny fidirana faharoa vao nitsimbadika ny isa ho an’ny roa tonta, ny ekipan’i Manja­karay indray no nitarika, 35 no ho 28, teny amin’ny solaitrabe. Raha tsy misy ny fiovana farany, hitsena ny Uscar eo amin’ny manasa-dalana ny CEA Andranoma­nalina. Ny Cosfa hifandona amin’ny ekipan’ny FTM Man­ja­karay. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Cosfa miaramila sy ny FTM dia efa nifanandrina tamin’ny famaranan’ny Top 12, ny taona lasa teo. Mbola manala vela kosa ny ekipan’ny miaramila.

Fitia Randria

Partager sur: