Tsipy kanetibe : Lasa any Frantsa ihany ny Malagasy

« Ela ny ela fa lasa ihany !» Araka ny fanambarana hita tao amin’ny pejin’ny Fédération sport boule malagasy (FSBM), omaly, nahazo taratasy fahazoan-dalana hivahiny any Frantsa ihany ny delegasionina malagasy, ny zoma lasa teo. Raha ny fanadihadiana natao, miisa enina ny mpilalao handrafitra ny delegasionina, hiaro ny voninahitr’i Mada­gasikara, mandritra ny fifanintsanana « Tournois estivaux », tontosaina any an-toerana, amin’izao fotoana izao, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny volana septambra. Ekipa roa no solontenan’ny Malagasy amin’ity, ry Tonnerre, Balôty, Lova sy ry Mika, Bondy, ary i Tafita.

Marihina fa manaraka azy ireo, any an-toerana, ny mpanazatra, ny Coach Nanou sy ny tale teknika nasionalin’ny FSBM, Rakotondralambo Juan Eric.

Tsara ny mampahatsiahy fa efa tokony ho tamin’ny voalohandohan’ny volana jolay teo ireto ekipa roa ireto no nandeha nankany Frantsa, saingy tsy lasa noho ilay fandavana azon’izy ireo, tamin’ny resaka taratasy fahazoan-dalana hivahiny any an-toerana, mandritra ny 90 andro.

F.R

Partager sur: