Hotontosaina anio, ao amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Yas Coupe 2026”. Hiady ny tapakila ho any amin’ny famaranana, amin’izany, ny AS Ste Anne sy ny Wagner FC, ary ny FC Rouge sy ny Cosfa.
Hafana ny fihaonana, anio, etsy By-pass, amin’ny lalao manasa-dalan’ny “Yas Coupe Madagasikara 2026”. Anisan’ny hifanandrina, amin’izany, ny ekipan’ny AS Ste Anne sy ny Wagner FC. Raha hiverenana kely ny lalan’izy ireo teo amin’ny ampahefa-dalana, ny Ste Anne nanintsana ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany, tamin’ny fandakana “tirs au but”, 5 no ho 4, rehefa nisaraka ady sahala 0 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna.
Ny Wagner FC kosa nandresy tsy niady, raha tokony ho nihaona tamin’ny Ajesaia, rehefa tsy tonga tany amin’izy ireo hiatrika ny lalao ity farany. Ankoatra izay, andrasan’ny maro, eny an-toerana, ny fifandonan’ny FC Rouge sy ny Cosfa miaramila. Tsara ny mampahatsiahy fa ny alahady ho avy izao no hanaovana ny famaranana amin’ity amboara nasionaly ity.
“Licence de Club Caf…?”
Araka ny fanadihadiana natao sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray, klioba roa amin’ireo efatra mbola anaty fiadiana ny amboara nasionaly ihany no manana ny “Licence de club Caf”. Ahina ho sarotra, araka izany, ny raharaha raha tsy tafita amin’ny famaranana ireo ekipa roa manana izany. Marihina fa hentitra ny Caf amin’io resaka io, ary izay manana izany ihany no afaka mandray anjara amin’ny fifanintsanana afrikanina. Raha ireo klioba tsy manana Licence izany no tafakatra eo amin’ny dingana farany, mety ilay nahazo ny amboaran’ny “Yas Coupe 2025” no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny “Coupe de la Caf 2026”.
Fitia Randria




