Mahaontsa ny zava-misy ary tsy miady amin’ny nofo aman-dra isika, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha teo aloha, Ravalomanana. « Ilay fanahy ratsy no iadiana… Mankasitraka ny fitondrana fa zava-dehibe ny fanehoana ny firaisankina sy tsy fanariana amin’ny fahoriana. Mila mifampatoky isika ary tandremo ny siosio fa mahatonga fisarahana », hoy izy.
Misy manararaotra ny tsy fahampian’ny seraseran’ny fitondrana manoloana izao tsy fandriampahalemana izao, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, omaly, tetsy Analakely. « Efa mijoro ny foibe ifampizarana vaovao manerana ny Nosy, ary anarahana ny momba ny olona very na tsy hita na koa nisy namono », hoy izy.
Nentim-po ny vahoaka noho ny alahelo ka tsy voafehy. Nahatonga ny doro trano sy ny fandrobana ny tranon’ilay ahina ho voarohirohy ho namono ilay zaza. Nivoitra izany tamin’ny nitantaran’ny depiote, Rason Liva, ny tranga niseho tany Ambositra, afakomaly. Tsiahivina fa nalevina omaly io zaza novonoina tamin’ny fomba feno habibiana io.
Mitaky fanapahan-kevitra hentitra ny fikamban’ny Varira ary nahitsy fa misy fitanilana, ny tranga miseho, araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, i Soja Fulgence. Mahatsiaro ho marary koa izahay. « Mitovy amin’izao ny mahazo anay. Maromaro ireo raharaha tsy nisy tohiny. Tsy fantatra hoe natao inona ireo novonoina ireo », hoy izy.




