Tsy vitan’ny mpitandro filaminana irery intsony ny raharaha? Matoa nananganana rafitra sy hery manokana. Amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa amin’izao. Eo koa ny fangatahana tolo-tanana amin’ny fampitam-baovao avy hatrany amina tranga mampiahiahy. Tsy ifanomezan-tsiny. Aim-pirenena no lalaovin’ny sasany amin’izao. Mila fifanomezan-tanana, firaisankina, indrindra fifampitokisana. Tonga amin’ny fanolorana fankasitrahana izay manome vaovao marim-pototra, ohatra, ny mpitandro filaminana. Eo koa ny famelomana sy fanetsehana ny andrimasom-pokonolona.
Na izany aza, tokony hazava ny hoe: iza no manao inona? Ao anatin’ny fangaraharana… Lazaina izay atao, atao izay lazaina. Amin’izany, eo ny hoe efa mandeha ny fanadihadiana… lalina. Mby aiza? Tsy tokony ho tompon-trano mihono ny vahoaka ifotony. Mila tatitra mazava sy mitohy tsy hisian’ny honohono. Tsy bodo na bado ka tsy mahalala izay tokony hataony. Tahotra sy ahiahy ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka? Ny fifampitokisana no antony. Tsy matoky mpitandro filaminana sy fitsarana ny vahoaka ifotony, tsy misy ny heverina ho tsy mahalala lalàna ny amin’izany. Mila fandraisana andraikitra, fampahafantarana, fitaizana…
Eo izany izao? Mila manazava sy manome toky hatrany ny fitondram-panjakana fa miaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa ny mpitandro filaminana: tandroka aron’ny vozona, aro riaka farany… Toeram-pikarohana ny fahamarinana sy fialofan’ny malemy ary andrim-pirenena tokoa ny fitsarana. Izay no hisian’ny fifampitokisana, tsy hampandeha ila ny raharaha fa samy tomponandraikitraa araka izay tandrify azy avy. Raraharam-pirenena! Raha tsy kely lalana ny ratsy, tokony hazava sy lehibe ny lalan’ny tsara sitrapo… mifampatoky?
R. Nd.




