Ataovy matotra raha ity !

 

Andro manan-tantara eto amin’ny tany sy ny fanjakana, omaly. Nitsingerina ny andro nandrombahana fahefana. Fanovana no nilokalokana! Nifanome toky fa handrava efa ny rehetra satria leo ny fitondrana teo aloha. Nanomboka nipoitra ny anaram-petaka ofisialy fa forongony izao ka hatao hazalambo. Samy nanantena zava-dehibe sy fahagagana tsotra izao. Resy lahatra fa bokotra dimy be izao no manao angaredona hampandroso firenena.
Niherina ny taona, mahazo faka aloha ny diplaomasia malagasy. Tsy voahilika sady nipetraka amin’ny maha izy azy hatrany i Madagasikara. Tsy voahilika na aiza na aiza, fa hifandroritana aza. Tsy manary ny kintana, manao ady sisika ny menamena, ny reny malala sy ny loko manga tsy mahafoy. Ny tranoben’ny Firenena mikambana aza mampiantrano, manome hasina mitovy amin’ny firenen-kafa rehetra. Mahazo lapa hikabariana mihitsy. Tsy ambakan’ny hafa.
Asa, manao akory ny tombana anatiny? Delestazy, rano tsy mandeha, tsy fandriampahalemana, vono olona, sns. Miabo tokoa ve ilay fanovana? Resy tosika ve ny raha tsy manjarizary rehetra? Samy manana ny handrefesany azy ny rehetra. Tomponandraikitra feno amin’ny zava-misy rahateo aloha ny rehetra, hatreto. Tsy misy afaka ny hanilika ny rihitra amin’ny mpitondra samirery. Angaha nisy izao fitondrana izao, raha tsy ny vahoaka nila fiovana.
Nahoraka aloha ny fankalazana. Tsy nanaiky ho taraiky amin’ny fankalazana ny filoha. Nihazakazaka avy any an-dafy izy mivady. Naneho firaisankina ny mpitolona sy ny nahazo toerana. Samy nilaza fa ho saropiaro sy tsy hanaiky lembenana amin’ny fanaovana tsinontsinona ny sorona ataon’izy ireo. Maro no mandà ny fifampizarana andraikitra. Soa fa mipetraka ho maodely ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël. Tsy manilika ny olon-drehetra.

r.r

Partager sur: