Fanavaozana izao…

 

Nampiaka-peo ny vovonana politika iray izay fa fahaliam-pahefana sy fitadiavan-toerana ary tombontsoa manokana, hono, no mampihazakazaka ny antoko politika sy ny mpanao politika amin’izao fotoana izao; eny, na tamin’ny fakan-kevitra hanomanana fifidianana aza. Ary ry zareo miteniteny izany mba ahoana? Mitaky rafitra Tetezamita fotsiny izao. Tsy inona fa fandravana ireo andrimpanjakana misy, fanorenana andrimpanjakana vaovao ho amin’ny fiaraha-mitantana sy fizarana seza. Izany moa no inona. Tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany: manaratsy ny hafa ho mitady seza nefa mitaky Tetezamita.
Hatramin’izao, mbola izay hatrany ny fomba fanaovana: manaratsy ny hafa hahatsara endrika ny tena, ny fiheveran-tena ho hany manana ny marina amin’izay mety sy mahasoa ny firenena, tsy arakaraka ny vava ny atao… Tsy foto-kevitra na ideolojia no anaovana politika, fa fitadiavan-tseza fotsiny izao? Ny toy izany, tsy sahy miatrika fifidianana; eny, no ho filoham-pokontany aza fa izay hahazoana toerana politika amin’ny fanaovana hitsin-dalana. Izay no anisan’ny tsy mampiova ny fomba fanaovana politika hatramin’izao? Tsy mampandroso ny firenena koa…
Mandra-pahoviana vao hahatsiaro tena sy saina ny mpanao politika? Ahina hiverina hatrany ny krizy politika raha mbola fitadiavan-tseza sy tombontsoa manokana hatrany no mibaiko ny mpanao politika. Ny olan-dry zareo amin’ny fitadiavan-tseza hatrany tsinona no ketrehina hovahana. Fa tsy izay tena hahasoa sy hampandroso ny firenena, indrindra ny fanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Ho tonga hatraiza? Ny vahoaka no mila mandinika sy mitsara ary manapa-kevitra: tsy ho tohatra fiakarana, tsy ho fitaovana politika… Fanavaozana izao, fa efa lasa ny zavatra taloha.

R. Nd.

Partager sur: