Hafatry ny filohan’ny FFKM : « Atsaharo ny herisetra fa tsy mamaha olana »

Niresaka fohy tamin’ny mpa­nao gazety ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Sa­moela Jaona, omaly, tetsy Ana­lakely. Niaiky ny tenany fa tena mandalo fotoan-tsarotra tokoa ny firenena amin’izao fotoana izao. Nahitsy anefa ny teniny fa tsy ny ratsy no hanjaka eto ary mino sy matoky an’Andriamanitra rahateo koa ny Malagasy. Hentitra koa ny hafany. « Aoka halavirina ny va­lifaty sy ny herisetra fa tsy hamaha ny olana eto amin’ny firenena izany », hoy izy. Mino sy matoky ity filoham-piangonana ity fa handresy ny asan’ny fahamarinana sy ny fitiavana ary indrindra ny finoana sy ny fanantenana ananan’ny tsirairay.
Etsy andaniny, nanome toky ny tenany momba ny fikaonandoham-pirenena fa mikatsaka ny hipetrahan’ny fitoniana sy ny fiadanana ny FFKM. Anisan’ny lalana hahatongavana amin’izany ny firosoana amin’ny fifampidinihan’ny hery velona eto amin’ny firenena. « Hanomboka tsy ho ela ny fikaonandoha. Mitaky fiaraha-mientana sy vavaka izany. Tsy azo lavina koa anefa fa ao anatin’ny fanelingelenana izany dingana ho amin’ny fikaonandoham-pirenena izany izao tranga eto amin’ny firenena izao », hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny nitarika ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho an’ny tanindrazana sy ireo niharam-boina manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ny tenany, niaraka tamin’ireo filoham-piangonana sy ny solontena eo anivon’ny FFKM.

Synèse R.

Partager sur: