Nitohy tany Matsiatra Ambony indray ny fikaonandoham-paritra eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny herinandro teo. Nambaran’ ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, tamin’izany, fa zava-dehibe ny fikaonandoham-pirenena.
Notsindriny fa fakan-kevitry ny antoko ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena izao tanterahin’izy ireo amin’ ny faritra 24 izao. « Zava-dehibe izany satria ahafahana manova tanteraka ny lalan’ny tantara sy fanovana efa tena nandrandrain’ny MMM hatramin’ny nijoroany, ny taona 2013 », hoy izy. Notsiahiviny fa anisan’ny nangataka ny FFKM hitarika ny fikaonandoha ny antokon’izy ireo mba samy ho raharahan’ny Malagasy no atao. Ahatongavana amin’ny fananganana firenena vanona, araka ny nambarany. Afaka mandrindra ny adihevitra koa ary tsy miandany ny FFKM. « Hahafahantsika mandamina sy mijery ny olana tao anatin’ny taona maro izany. Manana adidy lehibe amin’ izany izy ireo amin’ny maha raiamandreny azy… », hoy ihany izy. Nohamafisiny fa efa fanomanana ny hoavy ny fikaonandoha ka tsy tokony ho maika isika ary ialana ny vonjitavanandro, efa nahavoa antsika teto.
Misy ireo mpamendrofendro
Momba ny toe-draharaha ankehitriny kosa, nohitsiny fa mifanohitra tanteraka amin’ny toe-tsaina sy soatoavina malagasy ireny. Misy andian’ olona mihevitra ahazoana harena haingana ny famonoana olona sy ny herisetra, araka ny nambarany. Nitaky fandraisana andraikitry ny fanjakana ny MMM manoloana izany, hamerina ny fitokisan’ ny vahoaka ny fitsarana, mba tsy ho vita mora ny tranga tahaka ireny. « Tokony hisy fepetra henjana sy hentitra raisina… Aoka koa isika ho tony fa misy ireo mpamendrofendro », hoy izy.
Synèse R.




