Baolina kitra – “Yas Coupe 2026”: Solontenan’i Madagasikara ho any Afrika ny FC Rouge

Fantatra fa ny ekipan’ny FC Rouge no hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ireo klioba. Resin’izy ireo tamin’ny famaranana ny ekipan’ny AS Ste Anne.

Ny ekipan’ny FC Rouge izany no hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, “Coupe de la confédération Caf 2026”. Lavon’izy ireo teo amin’ny famaranana, omaly, tetsy amin’ny Kianjan’­ny Elgeco Plus By-pass, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny AS Ste Anne Bongatsara. Notolo­ran’ny Yas lelavola 25 tapitrisa Ariary ity klioba nandresy ity. Raha hiverenana kely ny lalao teny an-toerana, nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0 ny AS Ste Anne, rehefa nampiditra baolina i Dorlin, ny minitra faha-23. Efatra minitra taorian’io, nosahalain’i Leka, vodilaharan’ny FC Rouge izany, rehefa nisy fahadisoana nataon’ireo vodilaharan’i Bongatsara. Ady sahala 1 no ho 1, araka izany, no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fidirana faharoa, somary natoritory ny mpilalaon’ny Ste Anne ka nahatafiditra baolina ho an’ny mena i Abraham, ny minitra faha-55. Niezaka nanenjika indray ny Ste Anne, maro ireo fanafihana nataon’izy ireo ka nahita valim-panafihana tampoka i Abraham, ny faha-82 min ka nampiakatra ny isa ho 3 no ho 1 teny amin’ny solaitrabe. Efa tany amin’ny minitra faha-95 vao nampihena ny isa ho 3 no ho 2 ny AS Ste Anne Bongatsara. Tsy niova tamin’io 3 no ho 2 io ny fihaonana, nandresy ny FC Rouge. “Akaiky ihany ilay daty navoakan’ny Caf. Mety hanao fialantsasatra amin’ity herinandro ity izahay. Tsy maintsy hanao fanomanana mafy koa anefa. Tsy ataonay ambanin-javatra io fifaninanana afrikanina io. Haka mpilalao hanatevina ny efa ao aminay izahay ary mbola hojerena hoe aiza ny lesoka tokony harenina”, hoy ny Coach Fenosoa.

“Fair-play” an’i Toldo…

Ankoatra izay, voahosotra ho mpiandry tsatoby mendriky ny « Yas Coupe 2026 » i Toldo, mpiandry harato Elgeco Plus, izay nihintsana tany amin’ny ampahefa-dalana. Nomeny an’i Harivony Daniel Richard, mpiandry tsatobin’ny FC Rouge izany mba ho fanohanana an’ireo mpilalao zandry. “Ho fanohanako sy ho fanomezana motivation an’ilay zandrikely mpiandry harato FC Rouge, izay tompon’ny amboara, natolotro azy am-panetrentena ny fankasitrahana azoko”, hoy i Toldo, teny an-kianja.

F.R

Partager sur: