Hisy ny tatitra isan’andro momba ny fahaverezan’olona na fakana an-keriny na vono olona ataon’ ny Ivontoeram-pibaikoana, « CO-CCO », isaky ny hariva amin’ny 6 ora sy sasany. « Tsy misy afenina ny hetsika rehetra ataon’ny fanjakana hiadiana amin’izany »,
hoy ny tale jeneralin’ny Serasera (MSK), Rakotomalala Faly.
Nametraka fangatahana vaovao ho fanafahana vonjimaika misy anto-bola ny mpandraharaha, Ravatomananga Mamy voatazona atsy Maorisy, ny herinandro teo. Efa nisy ny fihainoan’ny Bail and Remand Court azy ny 21 jolay teo ary nanapa-kevitra ny hamerina handinika an’ity raharaha ity ny mpitsara amin’ny
30 jolay izao.
Niaiky ny avy amin’ny KMT fa tsy mora ny mamerina ny firaisankinan’ny Malagasy. Efa nopotehin’ny mpitantana teo aloha ny fifampitokisana, araka ny nambaran’ny sekretera mpanatanteraka, Miary Rasolofoarijaona. « Ndeha kosa isika hifanome tanana mba handresena ireo fahavalom-pirenena, mamono ny Malagasy izao », hoy izy.
Nifantoka tamin’ny fanomanana ny fakan-kevitra nasionalin’ny tanora ny dinika teo amin’ny FFKM sy ny minisiteran’ny Tanora ary ny minisitera
misahana ny Fanavaozana, ny herinandro teo, teny Ambohimanoro. Natolotra ny FFKM, tamin’izany, ny fanasana hanatrika ny famaranana ny fikaonandohan’ ny tanora sy hanolorana ny fehin-kevitra farany.




