Hanao ahoana ihany izao toe-draharaham-pirenena izao? Tsy inona fa ny amin’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa… Mitebiteby andro aman’alina ny vahoaka. Misy mampiaka-peo amin’ny fitakiana asa haingana sy mivaingana amin’ny fitandroana filaminana,
fikarohana ny marina, fanenjehana sy famaizana ny olon-dratsy… Mbola azo itokisana sy azo antoka amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ve ny mpitandro flaminana? Eny, na ny fitondram-panjakana ankapobeny aza. Isan-tsehatra sy isan’ambaratonga io. Mahantra sy fadiranovana ny vahoaka. Matoky tena amin’ny ataony sy izay lazainy ve ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana amin’izao… ? Tsy avela hanjaka ny ratsy.
Amin’izany, misy mamoaka vava fa tsy vitan’ny fanambarana ny raharaha. Aim-pirenena no voatohintohina amin’izao. Tsy efa tokony hatao raharaham-pirenena amin’izay? Dinihina manokana, handrafetana fandaharanasa sy paikady mazava, irosoana amin’ny fanatanterahana… Fanavaozana izao! Fa tsy fahavoazana… Lazaina mandrakariva ny hoe tsy misy fampandrosoana, raha tsy misy fandrimpahalemana sy filaminana. Tsy hisy koa izay fandriampahalemana sy filaminana raha tsy misy fampandrosoana. Mby aiza? Misy antony ao matoa miseholany ny karazana fanakorontanana toy izao. Mampanontany tena. Mby aiza ny fanavaozana no ndeha avela hanjakazakan’ny sasany… olon-dratsy sy fahavalom-pirenena? Hatraiza ny fahatokisan-tena amin’izay lazaina sy atao? Indrindra ny fifampitokisana…
Mila fanomezan-toky hatrany ny vahoaka ifotony fa tsy irery, tany misy fanjakana manakaiky azy i Madagasikara. Hatraiza? Izay matoky tena sy manome toky no itokiana. Alao hery àry! Tsy mbola very fanantenana ny amin’ izany ny vahoaka, matoa miaritra sy tsy mihetsika na mitabataba?
R. Nd.




