Maro ny fandikan-dalàna mandritra ny zotram-pifidianana. Manomboka amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy izany, hatramin’ny famoahana valim-pifidianana vonjimaika.
Ao anatin’izany ny kolikoly amin’ny fampielezan-kevitra, indrindra ny fizarana vola sy fanomezana. Tsy mbola nisy ny nigadra noho ny kolikoly amin’ny fifidianana. Manoloana izany, nanao fifanaraham-piaraha-miasa iadiana amin’ny kolikoly ny Bianco sy ny Ceni, izay vita sonia teny Alarobia, ny faran’ ny herinandro teo.
“Aoka re! Mba tsy hoe satria tambazana “t-shirt”, na lambaoany, na vilany, na baolina… dia hifidy an’ilay olona ny tena”, hoy ny tale jeneralin’ ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor. Mila fantarina any amin’ny atifanahy sao lasa kolikoly ho an’ny tena ny nanomezana an’izay? Koa izay no nahatonga ny safidy fa tsy izay tena mahasoa ny firenena sy naharesy lahatra ny tena ny nifidianana. Fanavaozana ny Repoblika izao, fanavaozana ny demokrasia sy ny raharaham-pifidianana. Tsy maintsy beazina ny antoko politika: aza fitahina ny vahoaka sy ny firenena, aoka mba ny marina no lazaina sy atao.
“Amin’izao toe-draharaha iainantsika ankehitriny izao, tsy maintsy fifidianana ihany no hamarana azy”, hoy kosa ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Ny fifidianana ihany no hitondra ny vahoaka sy ny firenena ho amin’ny sehatra sy dingana hafa amin’ny hoavy indray. Hatao ao anatin’ny filaminana tanteraka ny fifidianana, handraisan’ny rehetra anjara, madio, marina, mangarahara ary hanome vokatra eken’ny rehetra. Ny kolikoly ara-pifidianana dia sady fandikan-dalàna no famotehana ny firenena ary fampijaliana ny vahoaka…
R. Nd.




